Antsoy ny Andriamanitrao!

28 janvier 201820 h 07 min

big-fish-world-newsMiarahaba antsika indray tratra ity andro androany ity. Tsy lany hamamina ny tenin’Andriamanitra ary manana anjara amin’izany ianao. Ny teny zaraina androany dia ny fomba firesahana amin’Andriamanitra. Samy manao izay heverina ho mety ny zanak’olombelona rehefa hiantso an’Andriamanitra. Ny zavatra tsapa dia betsaka isika no diso hevitra ary tsy mahazo valim-bavaka noho izay tsy fahalalan-tsika izay. Androany dia zavatra teo no ho marihana amin’ny firesahana amin’Andriamanitra. 1) Fananganana alitara 2) fialana amin’ny ota 3) Faharetana amin’ny fiandrasana valimbavaka. Manasa anao aho hanaraka ny tenin’Andriamanitra netin’ny mpanompony rahalahy Ezekia.