Amin’ny anaran’i Jesosy

11 juillet 202112 h 14 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho amin’ny tokatrano izay mapiantrano ity teny zaraina androany ity sahady. Tsy angano na tantara foronina fa tena misy heriny ny anaran’i Jesosy. Ny devoly koa mba mino ka dia mangovitra. Tsy anarana napetaka fotsiny fa Andriamanitra Ray no nanome ny anarana hoe Jesosy Kristy. Izy ilay avy any Nazareta. Misy olana ve eo amin’ny fiainanao? Tsapanao misy devoly manakorotona ny fiainanao ve? didio amin’ny anaran’i Jesosy Kristy dia handositra anao ireny. teny nentin’i Pastera Rivo