Aiza ianao Jesosy ô

28 septembre 20238 h 57 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany anie ho anao sy ny ankohonanao. Amin’izao vanim-potoana hiainatsika izao dia betsaka no mandalo zavatra maro samy hafa. Ary ao anatin’izany koa isika izay efa nanaradia an’i Jesosy. Mapitoloko, mampitaraina, mampidradradra ny fiantefan’ny onjam-piainana eo amin’ny fiainan-tsika. Mampitaraina andro aman’alina hoe Aiza ianao Jesosy? ny zavatra manodidina rehetra manery antsika. Ho kivy ve? sanatria, fa na dia ilay mpitsara tsy marina aza mba namindra fo ihany maika fa isika izay mitaraina andro aman’alina no tsy ahazo ny rariny amin’i Jesosy? teny nentin’i Fr Emile