Aiza ho aiza ny fanomanana

16 mars 202615 h 24 min

Tsy vaovao amininao raha hilaza aho hoe mandalo isika no eto antany. Samy mahalala isika fa tsy misy olombelona velona mandrakizay eto antany izany. Raha izany ary dia mba efa nosaininao ve hoe vonona hiatrika izany mandrakizay zany ianao? Tsy misy hafaka ny ampianatra sy haneo ny zava-miafina ny amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana afatsy Ilay efa nitoetra tany dia Jesosy Kristy. Izay voalazan’ny soratra Masina dia marina. Manasa anao ny teny zaraina androany fa matoa mbola nomena tombon’andro isika dia ny hanomanana ny fiainana mandrakizay. Azo atao tsara ny ho hiainana amin’ny fiadanana sy fifaliana rehefa miala eto antany ny fanahinao. teny nentin’i Pastera Naivo