Ahazo hery ianareo

2 juin 202416 h 36 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany ho amin-tsika tsirairay avy. Nohon’ny fahasoavan’ny Tompo dia mbola hafaka mifampizara eto isika tsirairay avy. Mino aho fa tsy ho diso anjara eto izaho sy ianao. Ny hafatra zaraina androany dia ny mba ahazahoantsika hery afahantsika mande sy mandresy amin’ny ady rehetra izay hatrehantsika. Satria maro no zavatra izay hatrehantsika amin’ny andavan’andrompianatsika. Ary Jesosy dia efa nampanatena fa hanome ny Fanahy Masina ho an’izay rehetra mangataka aminy. Raha mahatsapa ianao fa mbola tsy nahazo dia mangataha fa ahazo ianao. Teny nentin’i Pastera Ezekia