Adidiko ny zanako

11 avril 202111 h 45 min

Jesosy anie hitahy ny tokatrano tsirairay avy indray amin’ity androany ity. Misaorà an’Andriamanitra fa mbola navahany ianao androany ka nomeny tombon’andro haheno ny teniny indray.

Nohon’ny fihazakazakin’ny toe-trandro dia miova ny fomba fitaizana ny zanaka. Miova ny fitondran’ny ray am-ndreny ny zanaka na dia efa lehibe aza izy. Fa ny tenin’Andriamanitra dia tsy miova. Ny fitaizana ny zanaka araka ny tenin’Andriamanitra dia tsy mora aminy fanatanterahana azy fa hitondra vokatra tsara ho azy any aorina. Toriteny nentin’i Fr Rivo