Saina madio

25 octobre 202018 h 53 min

Jesosy anie hitahy ny tokantrano tsirairay avy izay mampian-trano ny tenin’Andriamanitra indray androany. Tsy ho diso anjara izaho sy ianao. Ny teny zaraina androany dia ny amin’ny saina. Anisan’ny fitaovana ampiasain’ny olombelona betsaka indrindra ny saina. Ao daholo na ratsy na tsara, ny fahatsiarovana rehetra na ny mahafaly na izay nitondra rahona mainty teo amin’ny fiainatsika. Ary ny saikantsika no varavarana entin’i satana mampivily ny lalan-tsika amin’Andriamanitra. Jesosy anie hikasika anao amin’ny alalan’ity toriteny ity fa ahatonga antsika ho madio tanteraka na ny fo na ny saina sy ny fanahy. Teny nentin’i rahalahy Ezekia