Namana mendrika

1 décembre 202417 h 20 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany anie ho aminao sy ny ankohonanao. Manavao isan’andro ny toem-panahintsika Andriamanitra mandrapihavin’i Jesosy eny amin’ny rahon’ny lanitra. Betsaka ny fanamboarana ao anatin’izany. Mba namana manao ahoana no fidiana hira-dalana aminao? Mety hitarika anao any amin’ny lalana tsy tokony ahitana anao ny namana izay iarahanao ary amin’ny andro izay tsy ampoizinao vao mety ho gaga ianao fa tsy nety taminao ilay namana niarahanao. Entina handinihan-tena indray ny teny zaraina androany. Jesosy anie hanokatra ny masom-panahintsika tsirairay avy. Teny nentin’i Pastera Hezekia