Mamoaza voa

11 octobre 202016 h 50 min

Jesosy anie hitondra fanavaozana ho antsika tsirairay avy indray amin’ity androany ity. Tsy diso anjara ianao izay manaraka tsy tapaka ny teny zaraina eto. Jesosy anie hitahy tokatranonao androany. Ny teny zaraina androany dia ny hoe hitondra vokatra ho an’i Jesosy. Mety efa ela isika no nanompo sy nanaraka an’i Jesosy kanefa toa tsy nisy vokany teo amin’ny fianantsika izany na teo amin’ny manodidina antsika koa aza. Isika anefa dia nofidiana mba ho vavolombelona, nambolena mba hitondra voa. Mba hahazo fankasitrahana isika raha ho avy Jesosy hijery ny voa eo amintsika.
teny nentin’i rahalahy Rivo