Lehibe ny fahasoavan’Andriamanitra

27 juillet 202516 h 15 min

Ny fahasoavan’ny Tompo Jesosy anie ho amiko sy ho aminao amin’ity andro androany ity. Mino aho fa tsy hisy ho diso anjara eto androany. Satria Ilay Andriamanitra manan-karem-pahasoavana no mitady anao androany. Tsy ianao no mitady azy fa Izy no mitady anao. Tena tsy ho diso anjara ianao androany satria raha ho raisinao ilay fahasoavana homena anao androany dia ho afaka amin’ireo karanjanavatra maro manangeja anao ianao. teny nentin’i Pastera Hezekia