Fanatitra ankasitrahana
3 août 202519 h 11 min
Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany hamanagy anao izay mandray izaho teny zaraina izao. Tsy mitsahatra Andriamanitra mizara sakafom-panahy ho antsika satria ilain’ny fanahin-tsika izany. Ny teny zaraina androany dia ny amin’ny fanatitra mba ho atolotrareo ny tenanareo ho fanatitra ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra dia fanompoam-panahy mety ataonareo izany araka ny tenin’Andriamanitra. Jesosy anie hanokatra fonao sy ny sainao mba hazava amin-tsika ny tenin’Andriamanitra.
