Ilay teny Mamelona

9 mars 202517 h 19 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany anie ho amin’ny ankohonan »Andriamanitra. Tsy ho vaovao amin-tsika intsony ny teny ho zaraina androany kanefa mahasoa mandrakariva ny teny averina satria aina ho an’izay mahazo azy izany. Saroby ny famakiana ny tenin’Andriamanitra ry namako. Ao no hanovozanao zavatra maro, hery, fahalalana , fitaovana manohitra izay rehetra ady hatrehanao. Mety mbola tsy nanandrana namaky baiboly ve ianao hatramin’izay? Andramo fa ho hitanao ny vokany eo amin’ny fiainanao. teny nentin’i Pastera Naivo