Raiso ka vakio ny baibolinao

5 octobre 202516 h 28 min

Ao amin’ny tenin’Andriamanitra ny zavatra rehetra ilain-tsika amin’ny fiainantsika na ny ara-nofo io na ny aram-panahy. Rehefa nanomboka nahalala an’i Jesosy isika dia liana ihany koa ny hihaino sy ny handinika ny teniny. Kanefa maro isika rehefa mandeha ny andro sy ny fotoana dia manadino ny manokana fotoana hamaky ny tenin’Andriamanitra. Tsarovy fa raha tsy ampy tenin’Andriamanitra ny kristianina iray dia lasa malemy ka mora resy amin’ny ady rehetra hatrehany. Te hanentana anao indray ny teny zaraina androany fa sarobidy ny tenin’Andriamanitra. Pastera Naivo