Hiraka hanao ny asa
22 septembre 20258 h 08 min

Nomen’Andriamanitra fahasoavana isika dia ny famonjena. Betsaka ny andraikitra ao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Ny hetaheta sy ny fandraisan-tsika anjara amin’ireny dia hampitombo ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Raha mbola tsy manana andraikitra ianao amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra dia mbola fotoana izao afahanao mangataka amin’Andriamanitra ny andraikitra apetrany aminao ho entinao ampandrosoana ny asan’Andriamanitra. teny nentin’i Pastera Naivo