Handova fitahiana

16 décembre 201913 h 17 min

Jesosy anie hitahy manokana anao androany. Sambatra izay mino ny tenin’Andriamanitra. Ny teny ho zaraina androany dia hitondra fitahiana ho anao sy ny ankohonanao. Firy taona zay no nanompoanao an’Andriamanitra? Manotany tena ianao hoe  » Jesosy ô! Manahona ity fiainako ty. Toa mbola tsy mahita mangirana mandrak’androany ». Anio raha mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitrao ianao dia hataony aminao daholo izao fitahiana rehetra izao [ Deotoronomia 28:1-15 ]. Manasa anao aho hamaky an’io tenin’Andriamanitra io. Manasa anao ihany koa hanaraka ity toriteny androany ity. teny netin’i rahalahy Hezekia