Hafana fo hatrany!
7 septembre 202516 h 07 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany anie ho amiko sy ho aminao. Mbola ety andalana isika ry namako izay mpanaraka izao teny zaraina izao. Tsy misy mahalala ny andro sy ny fotoana izay hialantsika eto isika. Izany no hifampaherezantsika mba hitohy hafana fo hatrany tahaka ilzay vao isika novonjena iny. Tena nangetaheta ary nafana fo tamin’ny asan’Andriamanitra. Jesosy anie hamerina izany indray ao aminao. teny nentin’i Pastera Hezekia